Filankevitry ny Minisitra / Didim-panjakana / Fanambarana
Hanohy hijeryny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara
Ny Jeneraly Brigady RABEARIMANANA Lucien dia manamboninahitra ambony ao amin’ny Tafika Malagasy, manana traikefa lalina eo amin’ny sehatry ny tafika, ny fiarovam-pirenena, ny fitantanana ny Fanjakana ary ny raharaha stratejika. Amin’izao fotoana izao dia Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblika izy ka mandray anjara amin’ireo raharaha lehibe mifandraika amin’ny fanavaozana sy ny fanamafisana ny Fanjakana.
Nandalo tao amin’ny Akademia Miaramila (ACMIL) Antsirabe, andiany faha-22 izy ary manamboninahitra ao amin’ny Tafika an-tanety. Nanana lalam-piasana niavaka tao amin’ny "1er Régiment des Forces d’Intervention" (1er RFI), vondron-tafika sangany, ny tenany. Nahazo fiofanana manokana ihany koa izy, anisan’izany ny fiofanana "Commando" tao La Saline, La Réunion, ary ny fiofanana ambony momba ny fitantanana andrimpanjakana sy ny fitantanana fikambanana tao amin’ny EMSAM, Montpellier, Frantsa.
Nandritra ny lalam-piasany dia nanokana ny fahaiza-manaony ho amin’ny fanompoana ny Fanjakana sy ny fiarovana ny tombontsoam-pirenena izy. Efa nitana andraikitra teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, indrindra teo amin’ny sehatry ny fiarovana sy ny raharaha stratejika. Nandray anjara tamin’ny faharanitan-tsaina stratejika ihany koa izy, indrindra tao amin’ny Central Intelligence Service (CIS), izay niasany tamin’ireo raharaha mifandraika amin’ny fiarovam-pirenena sy ny fiarovana ny tombontsoa ambonin’ny Firenena.
Ankoatra ny fiofanana ara-tafika, manana fototra ara-panahy matanjaka ny tenany. "Ex-séminariste" izy ary nianatra teôlôjia nandritra ny efa-taona tao amin’ny Seminera zandriny sy Seminera zokiny Kianjasoa, Fianarantsoa. Io lalam-piofanana io no anisan’ny nanorina ireo soatoavina ijoroany, toy ny fahitsiana, fahamendrehana, fahamarinana, fanajana ny hafa ary fitiavan-tanindrazana.
Amin’ny maha Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblika azy dia mandray anjara amin’ny fandinihana ireo raharaha stratejika, ny fiarovam-pirenena ary ny fanatanterahana ny fanavaozana ny rafitra sy ny andrimpanjakana izy.
Ny lalam-piainan’ny Jeneraly Brigady RABEARIMANANA Lucien dia maneho ny fitambaran’ny fahaiza-manao ara-tafika, traikefa eo amin’ny fitantanana ny Fanjakana, fahalalana momba ny fiarovam-pirenena ary soatoavina ara-môraly sy ara-panahy, natokana ho amin’ny fanompoana ny Firenena Malagasy.
Maecenas arcu risus, pulvinar quis tempor in, vehicula vitae libero.
Duis non nunc odio. Nunc sodales tempus urna, ac vehicula enim ultrices non. Vestibulum sem diam, bibendum at tristique id, pellentesque at orci. Ut suscipit vehicula ultricies. Sed feugiat, nisi et blandit facilisis, ex purus egestas nisi, eu cursus nisl neque in libero.
Mauris in mattis ex.
Vestibulum ante ipsum primis in faucibus orci luctus et ultrices posuere cubilia curae; Sed vitae massa molestie, gravida arcu eu, fermentum tortor. Curabitur quis velit lobortis, vestibulum urna nec, aliquet urna. In nunc augue, vestibulum ut nulla at, sodales placerat risus. Praesent sit amet sagittis est. Nullam justo nisi, condimentum non lacinia vel, pretium vel arcu. Proin blandit, sem a eleifend fringilla, odio turpis consectetur ipsum, congue blandit dui erat eget purus.
Am-perinasa nanomboka ny 18 Novambra 2025
Fanapahan-kevitra N°16-HCC/D3 ny Fitsarana Avo momba ny
Lalàmpanorenana (HCC)
Grand-Croix de première classe de l’Ordre national
Teraka ny 30 Martsa 1976 tany Manakara. Zanaka an'Atoa GERVAIS Eugène (efa maty) izay miaramila nisotro ronono sy Ramatoa KOLAKA Joséphine (efa maty), mpamboly. Lehibe tany Manakara. Manambady an-dRamatoa RAKOTOMALALA
Lantoharimbola Vololomboahangy Mireille ary manan-janaka roa. Fantatra amin'ny fahamarinany sy ny fahamendrehany amin'ny zavatra rehetra ataony ny Kôlônely ANDRIAMIHARITSOA Gervais. Rehefa avy nahazo ny bakalorea tany amin'ny Kolejy Advantiste Antarandolo Fianarantsoa, dia nanohy fianarana tao @ Sekoly Miaramilam-Pirenena Fianarantsoa (SEMIPI) sy tao amin’ny Oniversite an’i Fianarantsoa taranja Physique-Chimie izay nahazoana ny DUS (Diplôme Universitaire Scientifique). Avy eo dia nanohy tao amin’ny Oniversité an’Antananarivo tao amin’ny sampana Physique Nucléaire izay nahazoany ny diplaoma DEA (Diplôme d'Études Approfondies) amin’ny taranja Hydrologie en Isotopique tamin'ny taona 2008.
Voaray ho Miaramila tao amin’ny Sekoly Miaramilam-Pirenena Fianarantsoa nanomboka tamin’ny 01 Aprily 1995.
Nanomboka ny asany tao amin'ny DMT CAPSAT tamin’ny taona 2001 ka hatramin’ny taona 2020. Manam-pahaizana manokana momba ny fitaovam-piadiana.
Efa lehiben'ny sampan-draharaha Teknika (Chef de service des matériels technique) tao amin’ny Rezimanta mpiandry ny filoha (RGP) sy Mpanolotsaina teknika ny Talen’ny fiarovana ny Filoham-pirenena (DSP) tao Iavoloha ny Lietna Kôlônely ANDRIAMIHARITSOA Gervais. Tao anatin'izay andraikitra notanany izay dia voatazona tany amin’ny zandarimaria ny tenany tamin’ny 03 Oktobra 2025 noho ny antony fanendrikendrehana.
Talohan'izay fotoana izay, dia efa nisy ny fihetsiketsehana noho ny antony ara-tsôsialy nataon'ny tanora GEN Z izay nihamafy ka nitarika ny fanoheran'ny Vahoaka malagasy manerana ny nosy ny fitondrana nisy. Nanoloana izany dia nanapa-kevitra ny hihetsika sy hanohana ny fitakian'ny tanora Gen Z sy ny Vahoaka malagasy ny miaramila avy ao amin'ny CAPSAT notarihan'ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël ny 11 Oktôbra 2025, ary nitaky mafy ihany koa ny
famoahana ny Lietna Kôlônely ANDRIAMIHARITSOA Gervais.
Navotsotry ny Zandarimaria tamin'ny 11 Oktobra 2025 araka izany ny Lietna Kôlônely ANDRIAMIHARITSOA Gervais rehefa nihamafy ny fitakiana sy ny fifandonana. Telo andro taorian'izay, ny 14 Oktobra 2025, no niakarany teny amin'ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra niaraka tamin'ireo miaramilan'ny CAPSAT, andro nanamarika ny fahatongavan'ny Fanavaozana ny Repoblika.
Araka ny fanapahan-kevitra laharana faha 16-HCC/D3 navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (Haute Cour Constitutionnelle) tamin'ny 18 Nôvambra 2025 dia voatendry ho Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana, niaraka tamin'ireo manamboninahitra telo mirahalahy hafa, ny Kôlônely ANDRIAMIHARITSOA Gervais.
Ny fanoloran-tena manokana ho an'ny firenena ataon'Andriamatoa Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana, ny Kôlônely ANDRIAMIHARITSOA Gervais, dia miompana amina laharam-pahamehana telo lehibe:
Miaraka amin'Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, sy ireo Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana, dia miezaka andro aman'alina ny Kôlônely ANDRIAMIHARITSOA Gervais hiantohana ny fitonianan'ny Andrim-panjakana sy ny firaisam-pirenena
Sary pika & Sary mihetsika
Ny pejy rehetraTe haneho hevitra ianao na hampita ny fitarainanao?